|
|
|
|

Entry1  Voninkazo taratasy
Elementary words  2  vony, 3  hazo, 4  taratasy
Part of speech  5  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  6  Literature: poems
Author  7  Rajaobelison SamuĂ«l
Full text  8  Dodona aho hanimbolo
9  F'efa babony tontolo,
10  Kanjo he! mangasihasy!
11  Voninkazo taratasy!

12  Ny voninkazo-Nanahary
13  Ve tsy nisy? ka inona àry,
14  Ka inona no nanolorana
15  'Ty voninkazo torantorana?

16  Karazan-doko mahakofona
17  Fa tsy hanitra na fofona,
18  Nony'njay atao an-tratra:
19  Henjankenjana mandratra.

20  Samy voninkazo ihany:
21  Ny iray velomin-tany,
22  Dokadoka, lenodenoka,
23  Misy fofo-maharenoka!

24  Samy voninkazo ihany:
25  Ny iray namboarina any ho any
26  Lafo vidy, sarotsarotra,
27  Entam-barotra! entam-barotra!

28  Samy fotsy, samy mena,
29  Samy ngita raha jerena.
30  Ny iray, fahaizana hosodoko;
31  Ny iray, kilalaon'ny foko!

32  Eto an-tany koa dia misy
33  Toerana amboarina indrisy!
34  Maka tahaka ny lanitra,
35  Nefa tsisy fofo-manitra.

Updated on 2025/10/11